Fanis 4

A. Ny Kaatita

1 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:

2 Isao ny taranak’i Kaata amin’ny taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy,

3 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin’ny dimampolo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

4 Izao no raharaha hataon’ny taranak’i Kaata ao amin’ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindraizy.

5 Rehefa hifindra lasy, dia i Aarôna sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran’ny vavolombelona, dia hosaronany amin’io;

6 ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin’io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin’izay; izay vao hapetany eo ny baony.

7 Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapoaka, ary ny kôpy amin’ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin’ny latabatra.

8 Hovelarany lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon’ny latabatra.

9 Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy;

10 ary hataony ao anatin’ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana izy.

11 Ny ôtely volamena dia hovelariny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony.

12 Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin’ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.

13 Hoesoriny ny lavenona eo amin’ny ôtely dia hovelarany lamba jaky mena mangatrakatraka eo amboniny;

14 ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny ôtely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony.

15 Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masinaanefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.

16 I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, no hitandrina ny diloilon’ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin’izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.

17 Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe:

18 Tandremo sao voafongotra ny fokon’ny fianakavian’ny Kaatita eo afovoan’ny Levita.

19 Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy,

20 fa ny Levita kosa dia tsy hiditra hijery ny zavatra masina, na dia indray mipỳ maso aza, fandrao maty izy.

B. Ny Gersônita

21 Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:

22 Isao koa ny taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy;

23 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

24 Izao no fanompoana hataon’ny fokon’ny Gersônita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany:

25 Hitondra ny ambain’ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin’ny firakony sy ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana,

26 ny fefy lamban’ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany.

27 I Aarôna sy ny zanany no handahatra ny raharaha rehetra hataon’ny taranaky ny Gersônita momba ny zavatra rehetra hoentiny sy ny zavatra rehetra hataony; homenareo hotandremany ny zavatra rehetra tsy maintsy entiny.

28 Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanaky ny Gersônita amin’ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin’ny fitandreman’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.

D. Ny Merarita

29 Alao isa ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

30 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

31 Ka izao no omena hokarakarainy, dia ny zavatra hoentiny araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana: ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny, ny faladiany,

32 ny andry amin’ny kianja manodidina azy, ny faladian’ireo, ny tsîmany, ny kofehiny, mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran’ny zavatra nomeny hoentiny.

33 Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanak’i Merarỳ, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.

Fanisana ny Levita

34 Ary i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

35 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

36 Dia 2.750 no isan’ny voaisa araka ny fianakaviany.

37 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny Kaatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ny trano lay fihaonana. Araka ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

38 Ny voaisa tamin’ny taranak’i Gersôna araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

39 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana,

40 dia 2.630 no voaisa araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy.

41 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Gersôna, dia izay rehetra nanao fanompoana ao amin’ny trano lay fihaonana. Didin’i Iaveh no nanaovan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

42 Ny voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

43 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana,

44 dia 3.200 no voaisa, araka ny fianakaviany avy.

45 Ireo no voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ. Didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy sy i Aarôna izany fanisana izany.

46 Ny voaisa rehetra tamin’ny Levita, izay nisain’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny filohan’i Israely, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,

47 hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin’ny dimampolo taona, izay rehetra tsy maintsy manana anjara raharaha amin’ny fanompoana sy ny fitondrana entana momba ny trano lay fihaonana,

48 dia 8.580 no voaisa.

49 Noho ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy izy ireo.