Hevitry ny fijaliana iaretan’ny kristianina apôstôly
1 Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;
2 ary aoka ny fampianarana renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, hafindranao amin’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray.
3 Miareta ny anjara fijalianao amin’ny maha-miaramila tsaran’i Kristy Jesoa anao.
4 Ny miaramila te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao;
5 izay mifaninana hahazo loka amin’ny kianja filalaovana koa, tsy mahazo satroboninahitra raha tsy niady ara-dalàna;
6 ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka raha efa izany vao mandray ny vokatra.
7 Diniho izay lazaiko aminao, fa homen’ny Tompo fahalalana amin’ny zavatra rehetra ianao.
8 Tsarovy fa i Jesoa Kristy, Ilay avy amin’ny taranak’i Davida, dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely toriko,
9 izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra.
10 Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy, mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra mandrakizay.
11 Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika;
13 raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny Tenany.
Fanoherana ireo mpampianatra sandoka
14 Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.
15 Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
16 Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian’ireny mpanao izany,
17 ary mihinana toy ny fery mihady ny tenany; amin’ireny i Himeneo sy i Fileto,
18 izay nania tamin’ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan’ny maty, ary mandrava ny finoan’ny sasany.
19 Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe:Fantatry ny Tompo ny Azy,sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetramanonona ny Anaran’ny Tompo.
20 Tsy fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao amin’ny trano be soa, fa fanaka hazo sy tany koa, ka ny sasany hajaina, fa ny sasany kosa atao tsinontsinona.
21 Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin’ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an’ny tompony ary voaomana amin’ny asa soa rehetra.
22 Andosiro ny filàn’ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin’izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio.
23 Ialao ny ady hevitra adaladala sy tsy misy antony, satria fantatrao ihany fa mahatonga fifandirana ireny.
24 Fa tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra,
25 mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen’Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy,
26 ka hody ny sainy, ary ho afaka amin’ny fandriky ny demony izy, izay nanao azy sambo-belona mba hanao ny sitrapony.