Sal 117

Fiantsoana ny olona hidera

1 Miderà an’i Iaveh ianareo, ry firenena rehetra,

mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra!

2 Fa lehibe ny hatsaram-pony amintsika,

ary maharitra mandrakizay ny fahamarinan’i Iaveh.

Aleloia!