Jen 50

Ny nandevenana an’i Jakôba

1 Nihohofan’i Josefa tamin’ny tavany ity rainy, ka nitomany teo aminy izy no nanoroka azy.

2 Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody.

3 Efapolo andro no nanaovan’ireo an’izany, fa izany no fetr’andro fanosoram-paty. Ary fitopolo andro no nisaonan’ny Ejiptianina azy.

4 Nony tapitra ny andro nisaonany azy, dia niteny i Josefa tamin’ny olona ao an-tranon’i Faraôna nanao hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonareo koa aho, dia mba lazao kely ho henon’i Faraôna izao:

5 Nasain’ikaky nianiana aho, nataony hoe: ‹Indro ho faty aho, ka any amin’ny fasana nohadiko ho ahy any amin’ny tany Kanaana no handevenanao ahy›. Ka mba te hiakatra any aho handevina ny raiko ary mbola hiverina indray.»

6 Ary hoy ny navalin’i Faraôna: «Miakara àry, aleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao.»

7 Dia niakatra handevina an-drainy i Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon’i Faraôna rehetra, ny loholona tao an-tranony, ny loholona rehetra tamin’ny tany Ejipta,

8 ny ankohonan’i Josefa rehetra, ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy. Ny ankizy madinika sy ny ondry ary ny omby ihany no sisa najanony teo amin’ny tany Gesena.

9 Nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro koa, niara-niakatra taminy, ka dia be ny mpanotrona.

10 Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa.

11 Nony nahita izany fisaonana tao am-pamoloan’i Atada izany ny Kananeanina tompon-tany dia hoy izy: «Endrey izany fisaonana lehibe amin’ny Ejiptianina!» Izany no nanaovana ny anaran’io fitoerana andafin’i Jordany io hoe: Abela Mitsraîma.

12 Koa dia nataon’ireo zanak’i Jakôba taminy àry izay nandidiany azy.

13 Nitondra azy ho any amin’ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin’ny zohy, amin’ny sahan’i Makpelà, izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Heteanina, mba hananany fasana ho azy, tandrifin’i Mambre.

14 Nony vita levenana i rainy dia niverina ho any Ejipta i Josefa mbamin’ny rahalahiny, sy izay rehetra niara-niakatra taminy handevina an-drainy.

Hatramin’ny nahafatesan’i Jakôba ka hatramin’ny nahafatesan’i Josefa

15 Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Josefa fa maty i rainy dia hoy izy: «Sao dia anaovan’i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.»

16 Koa nampilaza tamin’i Josefa izy nanao hoe: «Nanafatra i rainao talohan’ny nahafatesany,

17 nanao hoe: ‹Izao no holazainareo amin’i Josefa: Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao, fa nahavita ratsy taminao izy. Nefa mifona aminao aho ankehitriny, avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.› » Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.

18 Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe: «Mpanomponao izahay.»

19 Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo: «Aoka tsy hanan-tahotra ianareo; fa moa solon’Andriamanitra va aho?

20 Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.

21 Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.

22 Ka dia nonina tany Ejipta i Josefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany.

23 Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.

24 Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»

25 Dia nasain’i Josefa nianiana koa ireo zanak’i Israely, nataony hoe: «Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hoentinareo miakatra hiala atỳ ny taolako.»

26 Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy, dia napetraka anaty vatam-paty tany Ejipta.