Fanamasinana an’i Aarôna sy ireo zanany. Fanomanana
1 «Izao no ataovy amin’ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho Ahy: Makà vantotr’ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.
2 Mofo tsy misy lalivay, mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo mamy manify tsy misy lalivay voatondraka diloilo, ka lafarinam-barim-bazaha tsara indrindra no hanaovana azy.
3 Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin’ny sobika miaraka amin’ny vantotr’ombalahy iray sy ny ondralahy roa.»
Fanadiovana, fanomezana akanjo sy fanosorana
4 «Dia ampandrosoy i Aarôna sy ireo zanany ho eo amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy.
5 Raha efa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an’i Aarôna ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan’ny efôda, ary ny efôda sy ny saron-tratra, dia etrao amin’ny fehikibon’ny efôda izy.
6 Ataovy eo an-dohany ny hamama, ary ataovy eo amin’ny hamama ilay diademam-pahamasinana.
7 Dia alaovy ny diloilo fanosorana, ka aidino eo amin’ny lohany hanosoranao azy.
8 Ary ampandrosoy koa ireo zanany, ka ampiakanjoy ny tonîka.
9 I Aarôna sy ireo zanany samy etrao amin’ny fehikibo; ary ireo zanak’i Aarôna ampisatrohy mitra. Dia ho azy ireo, amin’ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; ary hanokana an’i Aarôna sy ireo zanany ianao.»
Ireo zavatra hatolotra
10 «Ny ombalahy hoentinao mankeo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary i Aarôna sy ireo zanany hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy.
11 Hovonoinao eo anatrehan’i Iaveh ny ombalahy eo amin’ny fidirana ho ao an-trano lay fihaonana;
12 ka angalao ny ran’ny ombalahy atenteno amin’ireo tandroky ny ôtely amin’ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny ôtely avokoa ny sisa.
13 Alaovy avokoa ny sabora safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, ka indray dory hanetona eo ambony ôtely.
14 Fa ny nofon’ny ombalahy kosa mbamin’ny hodiny sy ny tain-drorohany, dory amin’ny afo any ivelan’ny toby; sorona noho ny ota izany.»
15 «Alao ny iray amin’ireo ondralahy, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambonin’ny lohan’ny ondralahy;
16 ianao kosa hamono ny ondralahy sy hananty ny rany ary handraraka izany manodidina ambony ôtely.
17 Teteho ny ondralahy ary rehefa voasasanao ny taovany sy ny ranjony dia hapetrakao eo ambonin’ny tetiny sy ny lohany;
18 dia hodoranao hanetona eo ambony ôtely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an’i Iaveh izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»
19 «Alao koa ny ondralahy faharoany, ka i Aarôna sy ny zanany hametraka ny tanany ambony lohan’ny ondralahy.
20 Ianao hamono ny ondralahy dia haka amin’ny rany, ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aarôna, sy amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany ankavanana, mbamin’ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin’ny ôtely ny ra.
21 Makà amin’ny ra izay eo ambonin’ny ôtely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin’i Aarôna mbamin’ny fanamiany, sy amin’ny zanany mbamin’ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy.»
Fanomezam-pahefana ny mpisorona
22 «Halainao ny saboran’ny ondralahy, ny hofany, ny safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ary ny sorony havanana, fa ondralahy fanokanana io.
23 Ao amin’ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay voapetraka eo anatrehan’i Iaveh, dia angalao vonga-mofo iray sy mofo mamy miharo diloilo iray ary mofo mamy manify iray.
24 Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanaoho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.
25 Raha efa izany hoesorinao eo an-tanany ireo ka hodoranao eo ambony ôtely, ambonin’ny sorona dorana, ho hanitra ankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh: sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.
26 Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.
27 Amin’ny ondralahy fanokanana, amin’izay anjaran’i Aarôna sy amin’izay anjaran’ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra;
28 izany no anjaran’i Aarôna sy ny zanany, tsy maintsy hafoin’ny zanak’i Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak’i Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin’ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an’i Iaveh.»
29 «Ny fanamiana masin’i Aarôna dia ho an’ny zanany handimby azy koa, ka hatafy azy izany, rehefa avy izay hanosorana azy sy hanokanana azy;
30 ka hitafy izany mandritra ny hafitoana, izay anankiray amin’ny zanany ho tonga mpisorona handimby azy; dia izay hiditra ao an-trano lay fihaonana, hanao ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina.»
Sakafo masina
31 «Halainao ny ondralahy fanokanana, ka handrahoinao eo amin’izay toerana masina ny henany.
32 Dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny henan’ny ondralahy, sy ny mofo ao anatin’ny sobika.
33 Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin’ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin’izany, satria zava-masina izany.
34 Raha misy sisa tsy lany ka tra-maraina ny hena avy amin’ny fanokanana ny mofo, dia hodoranao izany fa tsy hohanina, satria zava-masina.»
35 «Izany no hataonao amin’i Aarôna sy ny zanany, araka ny didy rehetra nomeko anao. Hafitoana no hanokananao azy.»
Fanamasinana ny ôtely hasiana ny sorona dorana
36 «Vantotr’ombalahy iray isan’andro no hatolotrao ho sorona noho ny ota, ho fanoneram-pahotana. Izany fanonerana izany no hanavotanao ny fahotana amin’ny ôtely, dia hanosotra azy ianao, hanamasinana azy.
37 Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an’ny ôtely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny ôtely, ary ho masina avokoa izay mikasika ny ôtely.»
Sorona dorana, atao isan’andro
38 «Izao no hatolotrao eo ambonin’ny ôtely: zanak’ondry efa iray taona, roa isan’andro tsy tapaka.
39 Ny iray amin’ireo zanak’ondry ireo hatolotrao ny maraina, ny iray kosa hatolotrao amin’ny aty takariva.
40 Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.
41 Ny zanak’ondry faharoa hatolotrao amin’ny aty takariva dia hampombainao fanatitra sy divay hatao fanatitra araraka toraky ny tamin’ny maraina, ankasitrahina ny fofony, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
42 Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin’ny taona mifandimby ao amin’ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh, dia eo amin’izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao.
43 Fa hihaona amin’ny zanak’i Israely eo Aho, ka ho voahasin’ny voninahitro izany fitoerana izany.
44 Hohamasiniko ny trano lay fihaonana sy ny ôtely, hohamasiniko i Aarôna sy ny zanany, mba ho mpisorona manao fanompoana Ahy.
45 Honina eo afovoan’ny zanak’i Israely Aho, dia Izaho no Andriamanitr’izy ireo.
46 Ho fantany fa Izaho Iaveh no Andriamanitr’izy ireo, izay namoaka azy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo afovoan’izy ireo, dia Izaho Iaveh no Andriamaniny.»