1 Aza sakaiza ka hanjary fahavalo,
fa laza ratsy no ho anjaran’ny ratsy fanahy
sy henatra amam-pahafaham-baraka;
toy izany ny mpanota miroa lela.
2 Aza manandra-tena avy amin’ny nahim-ponao,
fandrao baboina ny fanahinao toy ny baboin’ny ombalahy.
3 Hihinana ny ravinao ianao,
handevona ny voankazonao,
ary hazo maina sisa havelanao aminao.
4 Ny fanahy ratsy, mahavery izay manana azy;
ataony fihomehezan’ny fahavalony izy.
Fisakaizana
5 Ny teny mora, mahamaro sakaiza,
ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana.
6 Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao,
nefa iray monja amin’ny arivo no ilao hevitra.
7 Raha te hahazo sakaiza ianao,
fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy,
fa aza malaky matoky azy foana.
8 Satria misy sakaiza manao an’androny,
fa hihataka izy, amin’ny andro mahory anao;
9 misy sakaiza ho tonga fahavalo,
ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra.
10 Misy sakaiza, raha hiara-komana aminao,
fa tsy haharitra ho izany intsony amin’ny andro hahory anao.
11 Amin’ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao,
ka hiresaka mora foana amin’ny ankohonanao.
12 Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy,
ary hiery anao.
13 Halaviro ny fahavalonao,
ary mitandrema tena amin’ny sakaizanao.
14 Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery,
ka nahita rakitra izay nahita azy.
15 Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky;
tsy misy vato-mizàna, azo andanjana ny vidiny.
16 Ody aina ny sakaiza mahatoky;
izay matahotra ny Tompo no mahazo azy.
17 Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina,
satria manahaka azy ny sakaizany.
Fianarana ny fahendrena
18 Anaka, milozoha amin’ny fianarana,
hatramin’ny vao tanora ianao,
dia hahita ny fahendrena ianao, mandra-pahafotsin’ny volonao.
19 Manatòna azy, toy ny mpiasa tany sy ny mpamafy,
ary miandrasa ny vokatsoa avy aminy.
Fa fotoana vitsivitsy no hisahirananao hiasa azy,
ary vetivety foana dia hihinana ny vokany ianao.
20 Sarotra hanihina aoka izany izy raha ny tsy mahalala!
Ka tsy haharitra hiraikitra aminy ny adala.
21 Fa toy ny vato mavesatra fitsapana, manindry azy izy,
ka tsy ela akory dia akifiny erỳ.
22 Satria manamarina ny anarany ny fahendrena:
tsy miseho amin’ny be sy ny maro izy.
23 Mihainoa, anaka, ka raiso ny hevitro,
ary aza ariana ny torohevitro.
24 Ampidiro amin’ny parapaingonyny tongotrao,
ary amin’ny fehivozony ny vozonao.
25 Aondreho hibaby azy ny sorokao,
ary aza sosotra ianao, amin’ny famatorany.
26 Tongava any aminy, amin’ny fonao rehetra,
ary araho ny lalany, amin’ny herinao rehetra.
27 Araho ny diany, ary katsaho izy,
fa hiseho aminao izy ho fantatrao.
Ka rehefa azonao kosa, aza ialana intsony.
28 Satria, hahita ny fiadanana ianao, amin’ny farany;
ary hanjary foto-pifaliana ho anao izy.
29 Ny parapaingony, ho tonga fiarova-mahery ho anao,
ary ny fehivozony ho fitafiana be voninahitra.
30 Fa firavaka volamena no eo an-dohany;
ary lamba tenona Hiasinta no fehilohany.
31 Hotafianao ho akanjom-boninahitra izany,
ary hataonao eo an-dohanao, ho fehiloham-pifaliana.
32 Anaka, raha tianao dia hahazo fahalalana ianao;
ary raha mikely aina ianao, dia ho tonga mahay.
33 Raha mazoto mihaino ianao, hahazo fianarana;
ary raha mampandry sofina, dia ho tonga hendry.
34 Mitoera eo amin’ny fivorian’ny anti-panahy;
izay olon-kendry iraiketo fo.
35 Mazotoa mihaino ny teny rehetra momba an’Andriamanitra,
ary aoka tsy hidify aminao ny foto-kevitry ny fahendrena.
36 Raha mahita olo-manan-tsaina ianao,
vao maraina diatongava eo akaikiny,
ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany.
37 Saintsaino ny didin’ny Tompo,
ereto mandrakariva ny fitsipiny;
fa izy no hankahery ny fonao,
ary ny fahendrena irinao, homena anao.