Mistery ny fahendrena
1 Ny fahendrenarehetra dia avy amin’ny Tompo;
ao aminy mandrakizay izy.
2 Iza no mahisa ny fasika amin’ny ranomasina,
ny fiteten’ny ranonorana, ary ny andro efa lasa?
3 Zovy no mahatakatra ny haavon’ny lanitra sy ny haben’ny tany,
sy ny halalin’ny hantsan’ny fahendrena?
4 Voaary talohan’ny zavatra rehetra, ny fahendrena,
ary ny fahazavan’ny saina hatramin’ny mandrakizay.
5 Ny loharanon’ny fahendrena,
dia ny tenin’Andriamanitra
any an-tampon’ny lanitra,
ary ny lalàny, dia ny lalàna mandrakizay.
6 Iza no nanambaràna ny foto-pahendrena?
Zovy no nahalala ny heviny lalina?
7 Iza no nilazana sy nanehoana ny fahalalana ny fahendrena,
ary zovy no mahazo an-tsaina ny hasarobidin’ny lalàny?
8 Iray ihany no hendry, hany atahorana indrindra,
mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, dia ny Tompo.
9 Izy no nahary azy;
nahita Azy ka nampahalala azy;
10 nandrotsaka azy tamin’ny asany rehetra Izy,
sy amin’ny nofo rehetra, araka ny ambaratongam-panomezany.
Notolorany be izay tia Azy.
Tahotra an’Andriamanitra
11 Ny fahatahorana ny Tompo, dia haja amam-boninahitra,
ary fifaliana amam-pehiloha firavoravoana.
12 Ny fahatahorana ny Tompo mampiravoravo ny fo,
mampahazo fisariadriaka aman-kafaliana sy andro lava.
13 Izay matahotra ny Tompo,
hahita soa amin’izany amin’ny farany,
ary hahazo sitraka izy, amin’ny andro hahafatesany.
Ny fitiavana an’Andriamanitra no fahendrena be voninahitra;
omen’Andriamanitra fahendrena izay olona isehoany,
mba hahabanjinany Azy.
14 Ny fahatahorana an’Andriamanitra, no fiandohan’ny fahendrena;
miara-miforonaamin’ny olo-marina,
hatrany an-kibon-dreniny izy.
15 Mamboatra fonenana mandrakizay ho azy,
ao amin’ny olombelona izy,
ary honina tsy hiala ao amin’ny taranany.
16 Ny fahendrena feno tanteraka, dia ny matahotra ny Tompo;
vokisany ny vokany izay manana azy.
17 Fenoiny zava-paniry ny tranony rehetra,
ary fenoiny ny vokany ny fitoeram-bokany.
18 Ny fehilohan’ny fahendrena, diany fahatahorana ny Tompo;
mampandroso fiadanana sy mahavokatra famonjena izy.
19 Nahita azy ny Tompo, dia namosaka azy,
ary samy fanomezan’Andriamanitra izy roa ireo.
Mampiboiboika be ny fahalalana sy ny fahazavan’ny saina izy,
sa mankalaza ny voninahitr’izay manana azy.
20 Ny foto-pahendrena dia ny fahatahorana ny Tompo,
ary ny sampany dia ny andro lava iainana.
21 Mandroaka ny fahotana ny fahatahorana ny Tompo,
ary mampidify ny hatezerana izay mifikitra aminy.
Faharetana sy fahafehezan-tena
22 Tsy azo hamarinina ny olona tsy marina sy foizina,
fa mitarika ny famongorana azy afonafon’ny hatezerany.
23 Miandry hatramin’ny fotoana ny olona mandefitra,
ka miverina aminy indray ny firavoravoany.
24 Afeniny hatramin’ny fotoana mety ny teniny,
ka tantarain’ny olo-mahatoky ny fahamalinany.
Fahendrena sy hitsim-po
25 Ny raki-pahendrena, misy foto-kevi-pahamalinana,
fa ny fitiavana an’Andriamanitra kosa,
dia fahavetavetana amin’ny mpanota.
26 Maniry fahendrena va ianao? Tandremo àry ny didy,
dia homen’ny Tompo anao izany.
27 Fa ny fahendrena amam-pahalalana,
dia ny fahatahorana ny Tompo;
ary ny ankasitrahiny,
dia ny fahamarinana aman-kalemem-panahy.
28 Aza mandà tsy hanana ny fahatahorana ny Tompo;
ary aza fo miefitrefitra no anatonanao Azy.
29 Aza mihatsaravelatsihy eo imason’ny olombelona;
ary tandremo ny molotrao.
30 Aza manandra-tena ianao, fandrao dia miongana;
ka hanafo-kenatra ny tenanao ianao.
Fa ny Tompo hanambara izay afeninao,
ka handronjina anao ho eo afovoan’ny fivoriana,
noho ianao tsy nilozoka tamin’ny fahatahorana ny Tompo,
ka feno fitaka ny fonao.