Teny mamely ireo tendrombohitr’i Israely
1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
2 Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’ny tendrombohitr’i Israelyny tavanao, ka maminania ny hamelezana azy. Lazao hoe:
3 Ry tendrombohitr’i Israely,
Mihainoa ny tenin’i Iaveh Tompo.
Izao no lazain’i Iaveh Tompo
amin’ny tendrombohitra aman-kavoana,
sy amin’ny hadin-driaka aman-dohasaha;
Indro Aho hahatonga sabatra hamely anareo;
ary ny fitoerana avonareo horavako,
4 ny ôtelinareo ho voarava,
ny andrinareoho an’ny masoandro, hotapahina;
ny lehilahinareo hataoko mitsingidina,
voan’ny fahafatesana, eo anoloan’ny sampinareo;
5 ny fatin’ny zanak’i Israely
hataoko eo anoloan’ny sampiny.
Ary ny taolanareo haeliko,
manodidina ny ôtelinareo.
6 Na aiza na aiza onenanareo,
ny tanàna ho lao,
ny fitoerana avo horavàna;
mba ho rava sy lao koa ny ôtelinareo,
ho montsana sy levona ny sampinareo,
hazera ny andrinareo ho an’ny masoandro
ary ho fongotra ny asanareo.
7 Hiampatrampatra eo aminareo, ny maratra ho faty;
dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
8 Havelako hisy sisa ihany anefa aminareo;
dia izay afaka amin’ny sabatra, any amin’ny firenena,
rehefa haely any amin’ny tany samihafa.
9 Ka ireo afaka ireo dia hahatsiaro Ahy eny amin’ny firenena,
izay hitondrako azy ho babo;
nony efa notorotoroiko ny fony mpisintaka
izay nivily tamiko,
sy ny masony mpisintaka
izay nitodika nankany amin’ny sampiny;
ka haharikoriko azy ny tenany,
noho ny ratsy nataony,
tamin’ny fahavetavetana rehetra vitany.
10 Dia ho fantany fa Iaveh Aho,
ka tsy mba foana ny nilazako
fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
Ireo fahotan’i Israely
11 Izao no lazain’i Iaveh Tompo:
Mitehafa tanana ianao
ary mitotoa tongotra, ka manaova hoe: «Indrisy!»
amin’ny fahavetavetana ratsy rehetra,
nataon’ny taranak’i Israely,
izay efa ho levon’ny sabatra,
sy ny mosary ary ny pesta.
12 Ny lavitra ho fatin’ny pesta;
ny akaiky ho lavon’ny sabatra;
izay sisa tavela voatahiry, ho fatin’ny hanoanana;
ka hampariko amin’izy ireo ny fahatezerako.
13 Dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho;
rehefa hiampatrampatra eny afovoan’ny sampiny
ny maty amin’izy ireo
manodidina ny ôteliny,
eny amin’ny havoana avo rehetra,
eny antampon-tendrombohitra rehetra;
eny ambanin’ny hazo maitso rehetra,
eny ambanin’ny oaka be ravina rehetra,
amin’ny fitoerana nanaterany emboka manitra mahafinaritra
tamin’ny sampiny rehetra.
14 Haninji-tanana hamely azy ireo Aho,
ka hataoko lao sy simba ny taniny,
hatramin’ny efitra ka hatrany Diblah,
dia ho fantany fa Iaveh Aho.