1Kôr 5

II. NISY NIRAY AMIN’OLON-TSY HENY

1 Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atỳ aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny Jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!

2 Izany ve ka ianareo indray no miavonavona e! ny tenanareo tsy malahelo amin’izany akory; ilay nanao izany tsy noesorinareo tsy ho eo aminareo koa!

3 Izaho, na dia tsy teo aminareo am-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an’ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany.

4 Koa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo, omban’ny herin’i Jesoa Tompontsika:

5 dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.

6 Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erỳ! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarìna manontolo?

7 Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo, satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika.

8 Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.

9 Nanoratra taratasytaminareo aho, nilaza fa tsy tokony hifanerasera amin’ny mpijangajanga ianareo.

10 Tsy dia ny mpijangajangan’izao tontolo izao anefa, na ny kahihitra, na ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy, no antsoiko amin’izany, satria raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

11 Fa hany noheveriko, dia ny tsy hiharoharoanareo amin’izay mitondra ny anarana hoe havana iray finoana, nefa mpijangajanga, na kahihitra, na mpanompo sampy, na mpifosa, na mpimamo, na mpanao an-keriny; fadio na ny miara-komana amin’ny olona toy izany aza.

12 Moa raharahako va ny mitsara izay any ivelany? Ary moa tsy izay ao anaty va no mety hotsarainareo?

13 An’Andriamanitra ny mitsara ny any ivelany.Roahy tsy ho ao aminareo intsony ilay mpanao ratsy.